Psalms 130

Fitarainana ataon’ izay latsaka amin’ ny fahoriana lalina

Fihirana fiakarana
Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga.
.

1

Tao amin’ ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
2Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ ny fifonako. 3Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô? 4Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao. 5Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako. 6Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina. 7Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be; 8Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra.
Copyright information for Mg1865